# Amin'iza ary no hampitahanao Ahy, iza no mitovy Amiko? Mampiasa ireo fanontaniana fampisainana mitovy ireo Yaveh mba hanindriana fa tsy misy olona tahaka Azy. DH: "Tsy misy olona izay azo ampitahaina Amiko. Tsy misy olona izay mitovy Amiko." # Iza no namorona ireo kintana rehetra ireo? Io dia fanontaniana izay miandry valiny. DH: "Namorona ireo kintana rehetra ireo Yaveh!" # Mamoaka azy ireo amin'ny antokony Izy Eto ny teny hoe "antokony" dia manondro ny antoko miaramila. Resahin'ny mpaminany toy ny hoe miaramila izay nobaikon'i Yaveh mba hipoitra ireo kintana. # Tamin'ny halehiben'ny heriny sy tamin'ny tanjaky ny fahefany Ny andianteny hoe "ny halehiben'ny heriny" sy "sy ny tanjaky ny fahefany" dia mamorona poa-droa izay manindry ny herin'i Yaveh. DH: "Tamin'ny halehiben'ny hery sy ny tanjaka mahery" # nisy iray tsy teo DH: "teo avokoa izy rehetra"