plt_tn/isa/38/18.md

728 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mbola manohy ny vavaka nosoratany ihany Hezekia.

Fa tsy misaotra anao ny fiainan-tsy hita; tsy midera anao ny fahafatesana

Eto ny hoe "fiainan-tsy hita" sy "fahafatesana" dia manondro ny "olona maty". DH: "Fa tsy misaotra Anao ireo izay any amin'ny fiainan-tsy hita; tsy midera Anao ny olona maty"

ireo izay midina ao anaty lavaka

"ireo izay mankany am-pasana"

tsy manantena ny fahamendreham-pitokisanao

"tsy manana fanantenana amin'ny fahamendreham-pitokisanao". Eto ny hoe "-nao" dia manondro an'i Yaveh.

Ny olombelona, ny olombelona

Mamerina io andianteny io Hezekia mba hanindriana fa ny olona velona ihany, fa tsy ny olona maty, no afaka manome fisaorana an'i Yaveh.