plt_tn/isa/38/14.md

1.4 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mbola manohy ny vavaka nosoratany ihany Hezekia.

Mikoraraika tahaka ny sidintsidina aho; mitolokoloko tahaka ny voromailala aho

Ireo fehezanteny ireo dia midika zavatra iray ihany ary manindry fa tena nitomany mafy tamin'alahelo sy fahatorotoroana Hezekia. Ny sidintsidina sy voromailala dia karazam-borona. DH: "Torotoro tokoa ny tomaniko--toy ny koraraikan'ny sidintsidina sy tolokon'ny voromailala ireo"

ny masoko

Eto dia manondro ny tenany amin'ny "masony" Hezekia mba hanindriana fa nitady zavatra izy. DH: "Izaho"

miandrandra ambony

Io dia manondro an'i Hezekia mijery any amin'ny lanitra mba hangataka an'Andriamanitra mba hamonjy azy. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava. DH: "miandry vonjy ho tonga avy any an-danitra" na "miandry Anao mba hamonjy ahy"

ory aho

DH: "Mampahory ahy ny alahelo"

Inona no tokony ho lazaiko?

Mampiasa io fanontaniana io Hezekia mba hanindriana fa tsy misy holazaina intsony izy. Afaka soratana amin'ny fehezanteny izany. DH: "Tsy misy ho ambara intsony aho."

hamindra moramora...aho

Io dia fomba fiteny. Eto ny hoe "hamindra" dia manondro ny fiainana. DH: "Ho tahaka ny manetry tena aho" (UDB)

amin'ny taona rehetra hiainako

Io dia manondro ny sisa hiainany. Ny hevitr'izany dia afaka atao mazava. DH: "ny fiainako sisa"

satria tototry ny alahelo

"satria vonton'alahelo aho" na "satria tena nalahelo aho"