# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Mbola manohy ny vavaka nosoratany ihany Hezekia. # Mikoraraika tahaka ny sidintsidina aho; mitolokoloko tahaka ny voromailala aho Ireo fehezanteny ireo dia midika zavatra iray ihany ary manindry fa tena nitomany mafy tamin'alahelo sy fahatorotoroana Hezekia. Ny sidintsidina sy voromailala dia karazam-borona. DH: "Torotoro tokoa ny tomaniko--toy ny koraraikan'ny sidintsidina sy tolokon'ny voromailala ireo" # ny masoko Eto dia manondro ny tenany amin'ny "masony" Hezekia mba hanindriana fa nitady zavatra izy. DH: "Izaho" # miandrandra ambony Io dia manondro an'i Hezekia mijery any amin'ny lanitra mba hangataka an'Andriamanitra mba hamonjy azy. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava. DH: "miandry vonjy ho tonga avy any an-danitra" na "miandry Anao mba hamonjy ahy" # ory aho DH: "Mampahory ahy ny alahelo" # Inona no tokony ho lazaiko? Mampiasa io fanontaniana io Hezekia mba hanindriana fa tsy misy holazaina intsony izy. Afaka soratana amin'ny fehezanteny izany. DH: "Tsy misy ho ambara intsony aho." # hamindra moramora...aho Io dia fomba fiteny. Eto ny hoe "hamindra" dia manondro ny fiainana. DH: "Ho tahaka ny manetry tena aho" (UDB) # amin'ny taona rehetra hiainako Io dia manondro ny sisa hiainany. Ny hevitr'izany dia afaka atao mazava. DH: "ny fiainako sisa" # satria tototry ny alahelo "satria vonton'alahelo aho" na "satria tena nalahelo aho"