plt_tn/isa/35/08.md

1.0 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ity andininy ity dia manohy ny fanoritsoritana ny hoavy mamirapiratry ny vahoakan'Andriamanitra.

Ny lalam-be any dia ho antsoina hoe Lalana Masina

DH: "Hisy lalana izay antsoina hoe Ilay Lalana Masina ao"

lalam-be

Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 11:16 ihany io teny io.

ny maloto

Io dia manondro ny olona maloto. Ny olona izay heverin'Andriamanitra ho tsy ankasitrahana ara-panahy na maloto dia resahina toy ny hoe maloto ara-batana mihitsy ilay olona. DH: "Ireo izay maloto" na "Ny olona izay tsy ankasitrahan'Andriamanitra" (UDB)

izay mandeha eo amin'izany

Io dia fomba fiteny. Eto ny hoe "mandeha" dia manondro ny hoe "miaina". Io dia manondro ny olona izay miaina amin'ny fiainana masina. DH: "izay miaina amin'ny fomba masina" na "izay miaina fiainana masina"

tsy ho hita ao izy ireo

DH: "tsy hisy olona hahita azy ireo ao"

izay voavonjy

Io dia manondro ny olona izay novonjen'Andriamanitra. DH: "ireo izay novonjena" na "ireo izay novonjen'Andriamanitra"