# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ity andininy ity dia manohy ny fanoritsoritana ny hoavy mamirapiratry ny vahoakan'Andriamanitra. # Ny lalam-be any dia ho antsoina hoe Lalana Masina DH: "Hisy lalana izay antsoina hoe Ilay Lalana Masina ao" # lalam-be Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 11:16 ihany io teny io. # ny maloto Io dia manondro ny olona maloto. Ny olona izay heverin'Andriamanitra ho tsy ankasitrahana ara-panahy na maloto dia resahina toy ny hoe maloto ara-batana mihitsy ilay olona. DH: "Ireo izay maloto" na "Ny olona izay tsy ankasitrahan'Andriamanitra" (UDB) # izay mandeha eo amin'izany Io dia fomba fiteny. Eto ny hoe "mandeha" dia manondro ny hoe "miaina". Io dia manondro ny olona izay miaina amin'ny fiainana masina. DH: "izay miaina amin'ny fomba masina" na "izay miaina fiainana masina" # tsy ho hita ao izy ireo DH: "tsy hisy olona hahita azy ireo ao" # izay voavonjy Io dia manondro ny olona izay novonjen'Andriamanitra. DH: "ireo izay novonjena" na "ireo izay novonjen'Andriamanitra"