plt_tn/isa/32/04.md

1.4 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mbola manohy manoritsoritra ny vahoaka aorian'ny hamerenan'Andriamanitra ireo mpanapaka marina any Joda indray Isaia. (Jereo: 32:1)

Ny maimaika...ny mibadabada

Io dia manondro ny olona izay manao zavatra an-kamehana sy ny olona izay mibadabada. DH: "Ny olona maimaika...ny olona mibadabada"

Ny adala dia tsy ho antsoina intsony hoe mendrika

DH: "Tsy hisy olona hanome voninahitra ny adala"

Fa ny adala dia miteny fahadalana, ary ny fony dia manao teti-dratsy

"Ny adala" dia manondro ny olona adala. Ny "adala" sy ny "ratsy fanahy" ihany koa dia azo ambara amin'ny tambinteny. DH: "Fa ny olona adala milaza zavatra adala ary manao tetika ratsy ny fony"

fony dia manao teti-dratsy

Eto ny olona adala dia tondroina amin'ny fony mba hanindriana ny eritreriny. DH: "mikasa zavatra ratsy ao am-pony izy"

na ny mpamitaka ho antsoina hoe hajaina

"Ny mpamitaka" dia manondro olona izay mamitaka. DH: "na hisy olona maneho fanajana ny olona izay mamitaka"

Hampanoana...izy

Ny teny hoe "izy" dia manondro ny olona adala.

Hampanoana ireo noana

"Ny noana" dia manondro ny olona noana. Noana izy ireo satria foana ny vavoniny. DH: "foana ny vavonin'ny olona noana"

ahatonga ireo mangetaheta tsy hanana zavatra ho sotroina

"Ny mangetaheta" dia manondro ny olona izay mangetaheta. DH: "mahatonga ny olona mangetaheta tsy hisy ho sotroina izy"