# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Mbola manohy manoritsoritra ny vahoaka aorian'ny hamerenan'Andriamanitra ireo mpanapaka marina any Joda indray Isaia. (Jereo: 32:1) # Ny maimaika...ny mibadabada Io dia manondro ny olona izay manao zavatra an-kamehana sy ny olona izay mibadabada. DH: "Ny olona maimaika...ny olona mibadabada" # Ny adala dia tsy ho antsoina intsony hoe mendrika DH: "Tsy hisy olona hanome voninahitra ny adala" # Fa ny adala dia miteny fahadalana, ary ny fony dia manao teti-dratsy "Ny adala" dia manondro ny olona adala. Ny "adala" sy ny "ratsy fanahy" ihany koa dia azo ambara amin'ny tambinteny. DH: "Fa ny olona adala milaza zavatra adala ary manao tetika ratsy ny fony" # fony dia manao teti-dratsy Eto ny olona adala dia tondroina amin'ny fony mba hanindriana ny eritreriny. DH: "mikasa zavatra ratsy ao am-pony izy" # na ny mpamitaka ho antsoina hoe hajaina "Ny mpamitaka" dia manondro olona izay mamitaka. DH: "na hisy olona maneho fanajana ny olona izay mamitaka" # Hampanoana...izy Ny teny hoe "izy" dia manondro ny olona adala. # Hampanoana ireo noana "Ny noana" dia manondro ny olona noana. Noana izy ireo satria foana ny vavoniny. DH: "foana ny vavonin'ny olona noana" # ahatonga ireo mangetaheta tsy hanana zavatra ho sotroina "Ny mangetaheta" dia manondro ny olona izay mangetaheta. DH: "mahatonga ny olona mangetaheta tsy hisy ho sotroina izy"