plt_tn/isa/30/29.md

28 lines
917 B
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'i Joda i Isaia.
# Hanana hira
Afaka ovaina ny teny ka hambara amin'ny matoanteny ny anarana hoe "hira". DH: "Hihira ianareo"
# toy ny amin'ny alina izay hitandremana ny firavoravoana masina
Io fampitahana io dia manindry fa tena ho faly ny vahoaka.
# izay hitandremana ny firavoravoana masina
DH: "rehefa mitandrina ny firavoravoana masina ianareo"
# ary firavoravoam-po
Eto ny hoe "fo" dia manambara ny ao anatin'ny olona. DH: "ary ho ravoravo ianareo"
# tahaka ny olona...Vatolampin'Israely
Io fampitahana io dia manindry fa tena ho faly ny vahoaka.
# eny amin'ny Vatolampin'Israely
Ny fananan'i Yaveh hery hiarovana ny vahoakany dia resahina toy ny hoe vatolampy izay azon'ny olona hanihana sy handosirana ireo fahavalo Izy. DH: "amin'ny vatolampy fiarovan'Israely" na "izay tahaka ny vatolampy fiarovana ho an'ny Israely"