# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'i Joda i Isaia. # Hanana hira Afaka ovaina ny teny ka hambara amin'ny matoanteny ny anarana hoe "hira". DH: "Hihira ianareo" # toy ny amin'ny alina izay hitandremana ny firavoravoana masina Io fampitahana io dia manindry fa tena ho faly ny vahoaka. # izay hitandremana ny firavoravoana masina DH: "rehefa mitandrina ny firavoravoana masina ianareo" # ary firavoravoam-po Eto ny hoe "fo" dia manambara ny ao anatin'ny olona. DH: "ary ho ravoravo ianareo" # tahaka ny olona...Vatolampin'Israely Io fampitahana io dia manindry fa tena ho faly ny vahoaka. # eny amin'ny Vatolampin'Israely Ny fananan'i Yaveh hery hiarovana ny vahoakany dia resahina toy ny hoe vatolampy izay azon'ny olona hanihana sy handosirana ireo fahavalo Izy. DH: "amin'ny vatolampy fiarovan'Israely" na "izay tahaka ny vatolampy fiarovana ho an'ny Israely"