plt_tn/isa/30/15.md

20 lines
773 B
Markdown

# ilay Iray Masin'Israely
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:4 izany.
# Ho avotra amin'ny fiverenana sy fijanonana ianareo
Ny fibebahana dia resahina toy ny hoe fiverenana any amin'i Yaveh ara-batana. DH: "Hamonjy anareo amin'ireo fahavalonareo Aho raha hibebaka ianareo ary hijanona hahalala fa mikarakara anareo Aho"
# fijanonana
Midika izany fa mitsahatra ny olona satria matoky izy ireo fa hikarakara azy ireo Yaveh.
# amin'ny fahanginana sy fahatokiana no hisy ny herinareo
Ny fahanginana eto dia manondro hoe tsy miahiahy sy matahotra. Midika izany fa tsy matahotra izy ireo satria matoky an'i Yaveh. DH: "Hahery ianareo raha mangina sy matoky Ahy"
# handositra amin'ny soavaly izahay
Ireo dia soavaly izay azon'ny vahoakan'i Joda tamin'ireo Egyptiana.