plt_tn/isa/28/05.md

1.1 KiB

Yaveh tompon'ny maro

Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 1:9 io.

ho lasa satro-boninahitra tsara tarehy sy diademan'ny hatsaràna

Yaveh dia resahina toy ny hoe lasa satro-boninahitra tsara tarehy izay hanaovan'ny olona izay tahaka ny tena mpanjakan'izy ireo izay manome voninahitra Azy.

satro-boninahitra tsara tarehy sy diademan'ny hatsaràna

Ireo dia midika zavatra iray ihany. DH: "satro-boninahitra tsara tarehy "

vahoakany, fanahin'ny rariny ho azy izay mipetraka amin'ny fitsarana, ary hery

DH: "vahoakany. Hahatonga ireo mpitsara ho marina sy hanome hery azy ireo Yaveh"

fanahin'ny rariny

Ny olona izay manana ny "fanahin'ny rariny" dia olona izay manana ny toetran'ny fahamarinana ary olo-marina.

mipetraka amin'ny fitsarana

Io dia fomba fiteny izay midika fa manana fahefana hitsara ilay olona.

ary hery ho an'ireo izay mampiverina ireo fahavalony eo am-bavahadin'izy ireo

Eto ny hoe "mampiverina" dia fomba fiteny izay midika hoe mandresy an'ady. DH: "ary hahatonga ireo miaramila hahery Yaveh mba handresy ny fahavalony izy ireo rehefa manafika ny tanànany ireo fahavalon'izy ireo"