# Yaveh tompon'ny maro Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 1:9 io. # ho lasa satro-boninahitra tsara tarehy sy diademan'ny hatsaràna Yaveh dia resahina toy ny hoe lasa satro-boninahitra tsara tarehy izay hanaovan'ny olona izay tahaka ny tena mpanjakan'izy ireo izay manome voninahitra Azy. # satro-boninahitra tsara tarehy sy diademan'ny hatsaràna Ireo dia midika zavatra iray ihany. DH: "satro-boninahitra tsara tarehy " # vahoakany, fanahin'ny rariny ho azy izay mipetraka amin'ny fitsarana, ary hery DH: "vahoakany. Hahatonga ireo mpitsara ho marina sy hanome hery azy ireo Yaveh" # fanahin'ny rariny Ny olona izay manana ny "fanahin'ny rariny" dia olona izay manana ny toetran'ny fahamarinana ary olo-marina. # mipetraka amin'ny fitsarana Io dia fomba fiteny izay midika fa manana fahefana hitsara ilay olona. # ary hery ho an'ireo izay mampiverina ireo fahavalony eo am-bavahadin'izy ireo Eto ny hoe "mampiverina" dia fomba fiteny izay midika hoe mandresy an'ady. DH: "ary hahatonga ireo miaramila hahery Yaveh mba handresy ny fahavalony izy ireo rehefa manafika ny tanànany ireo fahavalon'izy ireo"