plt_tn/isa/27/07.md

1.4 KiB

Moa namely an'i Jakoba sy Israely tahaka ny namelezany ireo firenena izay namely azy ireo ve Yaveh?

Nampiasaina mba hifanohitra amin'ny haben'ny sazin'Andriamanitra ny fanontaniana. DH: "Tena nanasazy ireo firenena fahavalo mafy kokoa noho ny nanasaziany ny vahoakan'Israely Yaveh"

Jakoba...Israely

Ireo dia manambara ireo taranak'i Jakoba.

Moa ve novonoina tahaka ny famonoana ireo firenena izay novoinoin'izy ireo i Jakoba sy Israely?

Ity fanontaniana ity ihany koa dia nampiasaina mba hifanohitra amin'ny haben'ny sazin'Andriamanitra ny fanontaniana. DH: "Tsy namono ny vahoakan'Israely tahaka ny namonoan'izy ireo ny fahavalony tamin'ireo firenena hafa Yaveh"

Tamin'ny refy marina no niadianao

Eto ny hoe "-nao" dia manondro an'Andriamanitra. Ny fanasazian'i Yaveh ny vahoakany araka izay sahaza azy ireo dia resahina toy ny hoe zavatra izay azo refesina ny sazin'Andriamanitra. DH: "Nefa nanasazy azy ireo araka izay sahaza azy ireo Ianao"

nandroaka an'Israely sy Jakoba

Ireo dia manambara ireo taranak'i Jakoba. DH: "nandroaka ireo Israelita"

noroahiny tamin'ny rivo-maheriny izy ireo, dia tamin'ny andron'ny rivotra atsinanana izany

Ny herin'i Yaveh mba handroaka ny vahoakany ho an'ny amin'ny firenen-kafa dia resahina toy ny hoe nampiasa rivotra mba hitsoaka azy ireo ho any amin'ny firenen-kafa Yaveh. DH: "ny herin'i Yaveh no nandroaka azy ireo tahaka ny rivotra mahery avy any atsinanana"