plt_tn/isa/27/07.md

24 lines
1.4 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Moa namely an'i Jakoba sy Israely tahaka ny namelezany ireo firenena izay namely azy ireo ve Yaveh?
Nampiasaina mba hifanohitra amin'ny haben'ny sazin'Andriamanitra ny fanontaniana. DH: "Tena nanasazy ireo firenena fahavalo mafy kokoa noho ny nanasaziany ny vahoakan'Israely Yaveh"
# Jakoba...Israely
Ireo dia manambara ireo taranak'i Jakoba.
# Moa ve novonoina tahaka ny famonoana ireo firenena izay novoinoin'izy ireo i Jakoba sy Israely?
Ity fanontaniana ity ihany koa dia nampiasaina mba hifanohitra amin'ny haben'ny sazin'Andriamanitra ny fanontaniana. DH: "Tsy namono ny vahoakan'Israely tahaka ny namonoan'izy ireo ny fahavalony tamin'ireo firenena hafa Yaveh"
# Tamin'ny refy marina no niadianao
Eto ny hoe "-nao" dia manondro an'Andriamanitra. Ny fanasazian'i Yaveh ny vahoakany araka izay sahaza azy ireo dia resahina toy ny hoe zavatra izay azo refesina ny sazin'Andriamanitra. DH: "Nefa nanasazy azy ireo araka izay sahaza azy ireo Ianao"
# nandroaka an'Israely sy Jakoba
Ireo dia manambara ireo taranak'i Jakoba. DH: "nandroaka ireo Israelita"
# noroahiny tamin'ny rivo-maheriny izy ireo, dia tamin'ny andron'ny rivotra atsinanana izany
Ny herin'i Yaveh mba handroaka ny vahoakany ho an'ny amin'ny firenen-kafa dia resahina toy ny hoe nampiasa rivotra mba hitsoaka azy ireo ho any amin'ny firenen-kafa Yaveh. DH: "ny herin'i Yaveh no nandroaka azy ireo tahaka ny rivotra mahery avy any atsinanana"