plt_tn/isa/26/01.md

630 B

Amin'izany andro izany

Eto ny hoe "andro" dia manambara fe-potoana amin'ny ankapobeny. DH: "amin'izany fotoana izany"

ity hira ity no hiraina any amin'ny tanin'i Joda

DH: "hihira izao hira izao ny vahoakan'ny tanin'i Joda"

Manana tanàna mafy izahay

Io dia manondro ny tanànan'i Jerosalema.

Andriamanitra dia efa nanao ny famonjena ho rindrin'izany sy tovon-tany

Ny herin'Andriamanitra mba hiaro sy hamonjy ny vahoakany dia resahina toy ny hoe manda manodidina ny tanàna ny famonjeny.

ny firenena marina izay mihazona finoana

Eto ny hoe "firenena'' dia manambara ny vahoaka. DH: "ny olona marina sy mahatoky"