plt_tn/isa/19/11.md

1.2 KiB

Adala tanteraka ireo andrian'i Zoana. Lasa tsy misy dikany ny torohevitr'ireo mpanolotsaina hendry indrindran'i Farao

Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo. Na mpanolotsaina hendry indrindran'i Farao ireo andrian'i Zoana, na izy ireo dia vaondron'olona hafa izay hita fa adala koa.

Zoana

Io dia tanàna any avaratr'i Egypta.

Ahoana no hitenenanao amin'i Farao hoe ... mpanjaka fahiny?

Ampisain'Isaia io fanontaniana io mba hanesoana ireo olona any Egypta izay milaza ho hendry. DH: "Amin'ny fahadalana no hitenenanareo amin'i Farao... mpanjaka fahiny"

Koa aiza ary izay olon-kendrinao eo?

Ampisain'Isaia io fanontaniana io mba hanesoana ireo olon-kendry. Ny mpisolo-tena tampisaka "-nao" dia manondro an'i Farao. DH: "Tsy mba manana olon-kendry ianao" na "Adala ireo olon-kendrinao."

Aoka izy ireo hilaza aminao ka hampahafantatra izay kasain'i Yaveh tompon'ny maro mahakasika an'i Egypta

Maneho hevitra ambadika Isaia fa tokony ho afaka ahatakatra ny fikasan'Andriamanitra ireo olon-kendry, saingy tsy tena inoan'Isaia fa hendry tokoa izy ireo. DH: "Raha tena hendry ireny, dia ho afaka hilaza aminao izay kasain'i Yaveh mahakasika an'i Egypta"