plt_tn/isa/19/11.md

20 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Adala tanteraka ireo andrian'i Zoana. Lasa tsy misy dikany ny torohevitr'ireo mpanolotsaina hendry indrindran'i Farao
Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo. Na mpanolotsaina hendry indrindran'i Farao ireo andrian'i Zoana, na izy ireo dia vaondron'olona hafa izay hita fa adala koa.
# Zoana
Io dia tanàna any avaratr'i Egypta.
# Ahoana no hitenenanao amin'i Farao hoe ... mpanjaka fahiny?
Ampisain'Isaia io fanontaniana io mba hanesoana ireo olona any Egypta izay milaza ho hendry. DH: "Amin'ny fahadalana no hitenenanareo amin'i Farao... mpanjaka fahiny"
# Koa aiza ary izay olon-kendrinao eo?
Ampisain'Isaia io fanontaniana io mba hanesoana ireo olon-kendry. Ny mpisolo-tena tampisaka "-nao" dia manondro an'i Farao. DH: "Tsy mba manana olon-kendry ianao" na "Adala ireo olon-kendrinao."
# Aoka izy ireo hilaza aminao ka hampahafantatra izay kasain'i Yaveh tompon'ny maro mahakasika an'i Egypta
Maneho hevitra ambadika Isaia fa tokony ho afaka ahatakatra ny fikasan'Andriamanitra ireo olon-kendry, saingy tsy tena inoan'Isaia fa hendry tokoa izy ireo. DH: "Raha tena hendry ireny, dia ho afaka hilaza aminao izay kasain'i Yaveh mahakasika an'i Egypta"