# Adala tanteraka ireo andrian'i Zoana. Lasa tsy misy dikany ny torohevitr'ireo mpanolotsaina hendry indrindran'i Farao Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo. Na mpanolotsaina hendry indrindran'i Farao ireo andrian'i Zoana, na izy ireo dia vaondron'olona hafa izay hita fa adala koa. # Zoana Io dia tanĂ na any avaratr'i Egypta. # Ahoana no hitenenanao amin'i Farao hoe ... mpanjaka fahiny? Ampisain'Isaia io fanontaniana io mba hanesoana ireo olona any Egypta izay milaza ho hendry. DH: "Amin'ny fahadalana no hitenenanareo amin'i Farao... mpanjaka fahiny" # Koa aiza ary izay olon-kendrinao eo? Ampisain'Isaia io fanontaniana io mba hanesoana ireo olon-kendry. Ny mpisolo-tena tampisaka "-nao" dia manondro an'i Farao. DH: "Tsy mba manana olon-kendry ianao" na "Adala ireo olon-kendrinao." # Aoka izy ireo hilaza aminao ka hampahafantatra izay kasain'i Yaveh tompon'ny maro mahakasika an'i Egypta Maneho hevitra ambadika Isaia fa tokony ho afaka ahatakatra ny fikasan'Andriamanitra ireo olon-kendry, saingy tsy tena inoan'Isaia fa hendry tokoa izy ireo. DH: "Raha tena hendry ireny, dia ho afaka hilaza aminao izay kasain'i Yaveh mahakasika an'i Egypta"