plt_tn/isa/16/09.md

28 lines
1.2 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ity dia manohy ny famaritana ny tanin'i Moaba ho tahaka ny tanim-boaloboka lehibe (Jereo 16:8). Faritan'Andriamanitra toy ny hoe mitranga izao ireo tranga izay hiseho amin'ny ho avy.
# Dia hitomany ... tokoa aho
Ao amin'ny 16:9-10 ny teny hoe "aho" dia manondro an'i Yaveh.
# Hanondraka anao amin'ny ranomasoko aho
Ny alahelony mafy nohon'ny amin'ireo toerana ireo dia resahin'Andriamanitra toy ny hoe hitomany mafy tokoa izy hany ka hisy ranomaso be hirotsaka amin'ireo. DH: "Hitomany mafy ny aminareo aho"
# Jazera ... Sibma
Adikao araka ny ao amin'ny 16:08 ireo anaran-tanàna ireo.
# Hesbona ... Elale
Adikao araka ny ao amin'ny 15:3 ireo anaran-tanàna ireo.
# Fa teo amin'ireo sahan'ny voankazo fahavaratra sy ny vokatra no namaranako ireo hiakam-pifaliana
Ny "hiakam-pifaliana" dia ilazana ny vahoaka mihiakiakam-pifaliana ny amin'ny vokatry ny hazo fihinam-boany. DH: "Nohon'ny amin'izay hataoko, dia tsy hihiakam-pifaliana intsony ianareo rehefa mijinja ny sahanan'ny vokatrareo"
# efa natsahatro ireo hiakan'ny iray izay manosihosy
Eto ny "hiaka" dia ilazana ny fifalian'ny vahoaka izay manosihosy ireo voloboka mba hanaovana divay. DH: "noho izany ireo izay manosihosy ny voaloboka dia tsy hihiakam-pifaliana"