# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ity dia manohy ny famaritana ny tanin'i Moaba ho tahaka ny tanim-boaloboka lehibe (Jereo 16:8). Faritan'Andriamanitra toy ny hoe mitranga izao ireo tranga izay hiseho amin'ny ho avy. # Dia hitomany ... tokoa aho Ao amin'ny 16:9-10 ny teny hoe "aho" dia manondro an'i Yaveh. # Hanondraka anao amin'ny ranomasoko aho Ny alahelony mafy nohon'ny amin'ireo toerana ireo dia resahin'Andriamanitra toy ny hoe hitomany mafy tokoa izy hany ka hisy ranomaso be hirotsaka amin'ireo. DH: "Hitomany mafy ny aminareo aho" # Jazera ... Sibma Adikao araka ny ao amin'ny 16:08 ireo anaran-tanàna ireo. # Hesbona ... Elale Adikao araka ny ao amin'ny 15:3 ireo anaran-tanàna ireo. # Fa teo amin'ireo sahan'ny voankazo fahavaratra sy ny vokatra no namaranako ireo hiakam-pifaliana Ny "hiakam-pifaliana" dia ilazana ny vahoaka mihiakiakam-pifaliana ny amin'ny vokatry ny hazo fihinam-boany. DH: "Nohon'ny amin'izay hataoko, dia tsy hihiakam-pifaliana intsony ianareo rehefa mijinja ny sahanan'ny vokatrareo" # efa natsahatro ireo hiakan'ny iray izay manosihosy Eto ny "hiaka" dia ilazana ny fifalian'ny vahoaka izay manosihosy ireo voloboka mba hanaovana divay. DH: "noho izany ireo izay manosihosy ny voaloboka dia tsy hihiakam-pifaliana"