plt_tn/isa/16/09.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ity dia manohy ny famaritana ny tanin'i Moaba ho tahaka ny tanim-boaloboka lehibe (Jereo 16:8). Faritan'Andriamanitra toy ny hoe mitranga izao ireo tranga izay hiseho amin'ny ho avy.

Dia hitomany ... tokoa aho

Ao amin'ny 16:9-10 ny teny hoe "aho" dia manondro an'i Yaveh.

Hanondraka anao amin'ny ranomasoko aho

Ny alahelony mafy nohon'ny amin'ireo toerana ireo dia resahin'Andriamanitra toy ny hoe hitomany mafy tokoa izy hany ka hisy ranomaso be hirotsaka amin'ireo. DH: "Hitomany mafy ny aminareo aho"

Jazera ... Sibma

Adikao araka ny ao amin'ny 16:08 ireo anaran-tanàna ireo.

Hesbona ... Elale

Adikao araka ny ao amin'ny 15:3 ireo anaran-tanàna ireo.

Fa teo amin'ireo sahan'ny voankazo fahavaratra sy ny vokatra no namaranako ireo hiakam-pifaliana

Ny "hiakam-pifaliana" dia ilazana ny vahoaka mihiakiakam-pifaliana ny amin'ny vokatry ny hazo fihinam-boany. DH: "Nohon'ny amin'izay hataoko, dia tsy hihiakam-pifaliana intsony ianareo rehefa mijinja ny sahanan'ny vokatrareo"

efa natsahatro ireo hiakan'ny iray izay manosihosy

Eto ny "hiaka" dia ilazana ny fifalian'ny vahoaka izay manosihosy ireo voloboka mba hanaovana divay. DH: "noho izany ireo izay manosihosy ny voaloboka dia tsy hihiakam-pifaliana"