plt_tn/isa/15/05.md

993 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ity no manohy ny faminaniana momba ny vahoakan'i Moaba. Faritan'Andriamanitra toy ny hoe mitranga izao ireo tranga izay hiseho amin'ny ho avy. Jereo ny (15:1)

Mitomany ho an'i Moaba ny foko

Ny fo dia maneho ny fihetseham-po. Resahin'Andriamanitra toy ny hoe fo mitomany io alahelo mafy io. DH: "Malahelo mafy ny amin'izay nanjo an'i Moaba aho"

mandositra ho any Zoara sy Egleta-selisia ireo mpitsoa-ponenany

"handositra ireo mpitsoa-ponenana avy any Moaba." Ny mpitsoa-ponenana dia olona izay mandositra mba tsy ho babon'ny fahavalony.

Zoara ... Egleta-selisia ... Lonita ... Horonaima Nimrima

Anaran-tanàna sy vohitra ireo.

ny amin'ny faharavany

Io dia azo averina arafitra mba ho azo adika amin'ny matoanteny "mandrava" ny teny hoe "faharavana." DH: "satria rava ny tanànan'izy ireo"

Ny habetsak'izay

"izay rehetra"

an-dohasahan-driakan'ireo hazo malahelo

Mety manondro ilay renirano any amin'ny faritany atsimon'i Moaba io.