plt_tn/isa/15/05.md

28 lines
993 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ity no manohy ny faminaniana momba ny vahoakan'i Moaba. Faritan'Andriamanitra toy ny hoe mitranga izao ireo tranga izay hiseho amin'ny ho avy. Jereo ny (15:1)
# Mitomany ho an'i Moaba ny foko
Ny fo dia maneho ny fihetseham-po. Resahin'Andriamanitra toy ny hoe fo mitomany io alahelo mafy io. DH: "Malahelo mafy ny amin'izay nanjo an'i Moaba aho"
# mandositra ho any Zoara sy Egleta-selisia ireo mpitsoa-ponenany
"handositra ireo mpitsoa-ponenana avy any Moaba." Ny mpitsoa-ponenana dia olona izay mandositra mba tsy ho babon'ny fahavalony.
# Zoara ... Egleta-selisia ... Lonita ... Horonaima Nimrima
Anaran-tanàna sy vohitra ireo.
# ny amin'ny faharavany
Io dia azo averina arafitra mba ho azo adika amin'ny matoanteny "mandrava" ny teny hoe "faharavana." DH: "satria rava ny tanànan'izy ireo"
# Ny habetsak'izay
"izay rehetra"
# an-dohasahan-driakan'ireo hazo malahelo
Mety manondro ilay renirano any amin'ny faritany atsimon'i Moaba io.