# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ity no manohy ny faminaniana momba ny vahoakan'i Moaba. Faritan'Andriamanitra toy ny hoe mitranga izao ireo tranga izay hiseho amin'ny ho avy. Jereo ny (15:1) # Mitomany ho an'i Moaba ny foko Ny fo dia maneho ny fihetseham-po. Resahin'Andriamanitra toy ny hoe fo mitomany io alahelo mafy io. DH: "Malahelo mafy ny amin'izay nanjo an'i Moaba aho" # mandositra ho any Zoara sy Egleta-selisia ireo mpitsoa-ponenany "handositra ireo mpitsoa-ponenana avy any Moaba." Ny mpitsoa-ponenana dia olona izay mandositra mba tsy ho babon'ny fahavalony. # Zoara ... Egleta-selisia ... Lonita ... Horonaima Nimrima Anaran-tanàna sy vohitra ireo. # ny amin'ny faharavany Io dia azo averina arafitra mba ho azo adika amin'ny matoanteny "mandrava" ny teny hoe "faharavana." DH: "satria rava ny tanànan'izy ireo" # Ny habetsak'izay "izay rehetra" # an-dohasahan-driakan'ireo hazo malahelo Mety manondro ilay renirano any amin'ny faritany atsimon'i Moaba io.