plt_tn/isa/13/19.md

32 lines
898 B
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Miresaka hatrany Yaveh.
# ilay mendri-piderana indrindra amin'ireo fanjakana
DH: "ny fanjakana izay derain'ny olona indrindra"
# ilay famirapiratan'ny reharehan'ny Kaldeana
Ny teny hoe "rehareha" dia azo adika amin'ny mpamari-toetra "mirehareha." DH: "ny tanàna tsara tarehy izay mampirehareha ny Kaldeana"
# dia ho ravana
"ho potehina"
# tahaka an'i Sodoma sy Gomora
"tahaka ny nandravana an'i Sodoma sy Gomora." Jereo ny nandikanao ireo anara-tanàna ireo ao amin'ny 1:9.
# Tsy honenana na hitoerana izany
Ireo matoanteny roa ireo dia mitovy hevitra ihany. DH: "Tsy hisy hipetraka ao"
# hatramin'ny taranaka fara-mandimby
Ny andian-teny hoe "taranaka fara-mandimby" dia ilazana ny taranak'olona izay ho velona amin'ny ho avy. DH: "mandrakizay"
# Arabo
Ny Arabo dia ilazana ny olona amin'ny ankapobeny, fa tsy olona iray. DH: "Ireo olona Arabo"