plt_tn/isa/07/01.md

1.3 KiB

Tamin'ny andron'i Ahaza ... mpanjakan'i Joda

"Tamin'i Ahaza ... mpanjakan'i Joda" Tamin'ny fotoana nitrangan'ireo toe-draharaha izany.

Rezina ... Pelza ... Remalia

Anaran-dehilahy ireo.

niakatra nankany ... Rezina ... sy Pelza

Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe ireo mpanjaka no tafika tarihin'izy ireo. DH: "Rezina ... Pelza ... nitarika ny tafika niakatra"

mba hanangana ady amin'izany

Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe ilay tanàna mihitsy ho olona monina ao. DH: "mba hanangana ady amin'ny vahoakan'Israely"

Notaterina tany amin'ny ankohonan'i Davida

DH: "Nandre tatitra ny ankohonan'i Davida" na "nisy nitatitra tamin'ny ankohonan'i Davida"

ny ankohonan'i Davida

Ny teny hoe "ankohonana" dia fibangoan-teny ilazana ny olona izay monina ao anatin'ilay trano, ilay fianakaviana. DH: "Ahaza mpanjaka sy ireo mpanolotsainy"

niaraka tamin'ny Efraima ny Syriana

Eto ny "Syriana" sy "Efraima" dia ilazana ny mpanjakan'ireo. Ampiasaina eto Efraima mba hilazana ny fanjakana Tavaratr'Israely manontolo. DH: "fa Rezina, mpanjakan'ny Syria dia nanampy an'i Pelza, mpanjakan'Israely"

Nangovitra ny fony, sy ny fon'ny vahoakany, toy ireo hazo any an'ala ahozongozon'ny rivotra

Ny fiovitrovitry ny fon'izy ireo manoloana izany vaovao izay dia ampitahaina amin'ny fihozongozon'ny hazo rehefa tsofin'ny rivotra. DH: "Natahotra mafy i Ahaza sy ny vahoakany"