plt_tn/isa/07/01.md

32 lines
1.3 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Tamin'ny andron'i Ahaza ... mpanjakan'i Joda
"Tamin'i Ahaza ... mpanjakan'i Joda" Tamin'ny fotoana nitrangan'ireo toe-draharaha izany.
# Rezina ... Pelza ... Remalia
Anaran-dehilahy ireo.
# niakatra nankany ... Rezina ... sy Pelza
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe ireo mpanjaka no tafika tarihin'izy ireo. DH: "Rezina ... Pelza ... nitarika ny tafika niakatra"
# mba hanangana ady amin'izany
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe ilay tanàna mihitsy ho olona monina ao. DH: "mba hanangana ady amin'ny vahoakan'Israely"
# Notaterina tany amin'ny ankohonan'i Davida
DH: "Nandre tatitra ny ankohonan'i Davida" na "nisy nitatitra tamin'ny ankohonan'i Davida"
# ny ankohonan'i Davida
Ny teny hoe "ankohonana" dia fibangoan-teny ilazana ny olona izay monina ao anatin'ilay trano, ilay fianakaviana. DH: "Ahaza mpanjaka sy ireo mpanolotsainy"
# niaraka tamin'ny Efraima ny Syriana
Eto ny "Syriana" sy "Efraima" dia ilazana ny mpanjakan'ireo. Ampiasaina eto Efraima mba hilazana ny fanjakana Tavaratr'Israely manontolo. DH: "fa Rezina, mpanjakan'ny Syria dia nanampy an'i Pelza, mpanjakan'Israely"
# Nangovitra ny fony, sy ny fon'ny vahoakany, toy ireo hazo any an'ala ahozongozon'ny rivotra
Ny fiovitrovitry ny fon'izy ireo manoloana izany vaovao izay dia ampitahaina amin'ny fihozongozon'ny hazo rehefa tsofin'ny rivotra. DH: "Natahotra mafy i Ahaza sy ny vahoakany"