# Tamin'ny andron'i Ahaza ... mpanjakan'i Joda "Tamin'i Ahaza ... mpanjakan'i Joda" Tamin'ny fotoana nitrangan'ireo toe-draharaha izany. # Rezina ... Pelza ... Remalia Anaran-dehilahy ireo. # niakatra nankany ... Rezina ... sy Pelza Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe ireo mpanjaka no tafika tarihin'izy ireo. DH: "Rezina ... Pelza ... nitarika ny tafika niakatra" # mba hanangana ady amin'izany Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe ilay tanĂ na mihitsy ho olona monina ao. DH: "mba hanangana ady amin'ny vahoakan'Israely" # Notaterina tany amin'ny ankohonan'i Davida DH: "Nandre tatitra ny ankohonan'i Davida" na "nisy nitatitra tamin'ny ankohonan'i Davida" # ny ankohonan'i Davida Ny teny hoe "ankohonana" dia fibangoan-teny ilazana ny olona izay monina ao anatin'ilay trano, ilay fianakaviana. DH: "Ahaza mpanjaka sy ireo mpanolotsainy" # niaraka tamin'ny Efraima ny Syriana Eto ny "Syriana" sy "Efraima" dia ilazana ny mpanjakan'ireo. Ampiasaina eto Efraima mba hilazana ny fanjakana Tavaratr'Israely manontolo. DH: "fa Rezina, mpanjakan'ny Syria dia nanampy an'i Pelza, mpanjakan'Israely" # Nangovitra ny fony, sy ny fon'ny vahoakany, toy ireo hazo any an'ala ahozongozon'ny rivotra Ny fiovitrovitry ny fon'izy ireo manoloana izany vaovao izay dia ampitahaina amin'ny fihozongozon'ny hazo rehefa tsofin'ny rivotra. DH: "Natahotra mafy i Ahaza sy ny vahoakany"