plt_tn/isa/06/04.md

28 lines
826 B
Markdown

# Izao tontolo izao dia feno ny voninahiny
Manohy mamaritra ny fahitany Isaia.
# Nihozongozona tamin'ny feon'ireo izay mitaraina ny fototr'ireo tokonam-baravarana
"Rehefa ninatso ireo serafima, dia nampihovitrovitra ny tokonam-baravarana sy ny fotony ny feony"
# ary feno setroka ny trano
DH: "ary nisy setroka nameno ny tempoly" na "ary nisy setroka nameno ny lapa"
# Loza! Very aho
DH: "Sahirana tokoa aho! Hisy zavatra mahatsiravina hanjpo ahy!"
# maloto molotra
Eto ny "molotra" dia ilazana izay lazain'ny olona. Ary ny filazan'ny olona zavatra izay tsy azo ekena amin'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe maloto ara-nofo mihitsy ny molony.
# Yaveh, Yaveh tompon'ny maro!
Yaveh, ilay mpifehy ny tafik'anjely
# ny masoko dia efa nahita
Eto ny "maso" dia ilazana ny olona manontolo. DH: "izaho dia efa nahita"