plt_tn/hos/14/07.md

945 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Miteny Yaveh.

Ny olona izay monina ao amin'ny alony dia hiverina

Ho velona amin'ny fiarovan'Andriamanitra indray ny vahoakan'Israely. Resahina toy ny hoe mitoetra ao amin'ny alok'Andriamanitra i Israely.

ho velombelona tahaka ny voa indray izy ireo ary hitsimoka tahaka ny voaloboka

Ny firoboroboan'Israely vaovao dia resahina amin'ny fiteny ara-pambolena.

Ho tahaka ny divain'i Libanona ny lazany

Tahaka ny nampalaza ny divain'i Libanona no hampalaza an'Israely. DH: "Hahalala momba an'Israely avokoa ny olona na aiza na aiza"

inona ihany koa no mbola azoko atao amin'ny sampy?

Io andalan-teny io dia midika fa Andriamanitra dia hanakana ny vahoakan'Israely tsy hanompo sampy intsony.

kypreso izay maitso ravina mandrakariva Aho

Ny kypreso dia hazo izay maitso ravina mandava-taona

Amiko no hitsirian'ny voanao

Eto ny "voa" dia ilazana ny zava-tsoa rehetra izay avy amin'i Yaveh.