plt_tn/hos/13/01.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Miteny Yaveh.

Rehefa niteny i Efraima

Mampiasa ny teny hoe "Efraima" i Hosea mba hilazana ny fanjakana tavaratra manontolo, na dia anaran'ny iray amin'ireo foko folo ihany koa aza izany. Toa miresaka momba ny taloha efa ela be i HOsea, fony natanjaka sy nomen-kaja ny fanjakana tavaratra, tsy tahaka ny ankehitriny.

dia nisy hovitrovitra

Ny teny latsaka hoe "teo amin'ireo firenena" dia efa azo eto. Nahatsapa fietrena teo anatrehan'ny fanjakana tavaratra ireo firenen-kafa. DH: "nisy hovitrovitra teo amin'ireo firenena hafa"

Nanandratra ny tenany tany Israely izy

Eto ny hoe "nanandratra" dia midika hoe manao ny tenan'ny olona iray ho ambony.

efa lasa meloka noho ny fanompoana an'i Bala izy, ka maty

Rehefa nanomboka nanompo an'i Bala ny vahoakan'i Efraima, dia niha-osa, ary nandresy azy ireo ny fahavalony. Eto ny hoe "maty" dia ilazana ilay firenena miha-osa.

Miha-manota hatrany izy ireo ankehitriny

Eto "izy ireo" dia manondro ny fokon'i Efraima sy ny firenen'Israely manontolo, izay nanaraka ny ohatr'i Efraima.

Ireo olona izay manao sorona ireo dia manoroka zanak'omby

Anisan'ny fanompoana sampy ny fanorohana sarivongana izay miendrika zanak'omby.