# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Miteny Yaveh. # Rehefa niteny i Efraima Mampiasa ny teny hoe "Efraima" i Hosea mba hilazana ny fanjakana tavaratra manontolo, na dia anaran'ny iray amin'ireo foko folo ihany koa aza izany. Toa miresaka momba ny taloha efa ela be i HOsea, fony natanjaka sy nomen-kaja ny fanjakana tavaratra, tsy tahaka ny ankehitriny. # dia nisy hovitrovitra Ny teny latsaka hoe "teo amin'ireo firenena" dia efa azo eto. Nahatsapa fietrena teo anatrehan'ny fanjakana tavaratra ireo firenen-kafa. DH: "nisy hovitrovitra teo amin'ireo firenena hafa" # Nanandratra ny tenany tany Israely izy Eto ny hoe "nanandratra" dia midika hoe manao ny tenan'ny olona iray ho ambony. # efa lasa meloka noho ny fanompoana an'i Bala izy, ka maty Rehefa nanomboka nanompo an'i Bala ny vahoakan'i Efraima, dia niha-osa, ary nandresy azy ireo ny fahavalony. Eto ny hoe "maty" dia ilazana ilay firenena miha-osa. # Miha-manota hatrany izy ireo ankehitriny Eto "izy ireo" dia manondro ny fokon'i Efraima sy ny firenen'Israely manontolo, izay nanaraka ny ohatr'i Efraima. # Ireo olona izay manao sorona ireo dia manoroka zanak'omby Anisan'ny fanompoana sampy ny fanorohana sarivongana izay miendrika zanak'omby.