plt_tn/hos/13/01.md

28 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Miteny Yaveh.
# Rehefa niteny i Efraima
Mampiasa ny teny hoe "Efraima" i Hosea mba hilazana ny fanjakana tavaratra manontolo, na dia anaran'ny iray amin'ireo foko folo ihany koa aza izany. Toa miresaka momba ny taloha efa ela be i HOsea, fony natanjaka sy nomen-kaja ny fanjakana tavaratra, tsy tahaka ny ankehitriny.
# dia nisy hovitrovitra
Ny teny latsaka hoe "teo amin'ireo firenena" dia efa azo eto. Nahatsapa fietrena teo anatrehan'ny fanjakana tavaratra ireo firenen-kafa. DH: "nisy hovitrovitra teo amin'ireo firenena hafa"
# Nanandratra ny tenany tany Israely izy
Eto ny hoe "nanandratra" dia midika hoe manao ny tenan'ny olona iray ho ambony.
# efa lasa meloka noho ny fanompoana an'i Bala izy, ka maty
Rehefa nanomboka nanompo an'i Bala ny vahoakan'i Efraima, dia niha-osa, ary nandresy azy ireo ny fahavalony. Eto ny hoe "maty" dia ilazana ilay firenena miha-osa.
# Miha-manota hatrany izy ireo ankehitriny
Eto "izy ireo" dia manondro ny fokon'i Efraima sy ny firenen'Israely manontolo, izay nanaraka ny ohatr'i Efraima.
# Ireo olona izay manao sorona ireo dia manoroka zanak'omby
Anisan'ny fanompoana sampy ny fanorohana sarivongana izay miendrika zanak'omby.