plt_tn/hos/11/05.md

1017 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Miresaka momba an'Israely i Yaveh.

Tsy hiverina any amin'ny tanin'i Egypta ve izy ireo?

Io fanontaniana io dia midika fa ho andevo indray tahaka azy ireo tany Egypta ny firenen'Israely.

Tsy hanapaka eo amin'izy ireo ve Asyria satria mandà ny hiverina amiko izy ireo?

Ho babon'i Asyria ny firenen'Israely ho vokatry ny fandavan'izy ireo tsy hitoetra mahatoky amin'i Yaveh.

Hilatsaka amin'ny tanànan'izy ireo ny sabatra

Eto ny "sabatra" dia maneho ny fahavalon'Israely izay handrava ny tanànan'Israely.

hamotika ny hidin'ny vavahadiny

Ny vavahady no mampisy fandriam-pahalemana ho an'ny mponin'ny tanàna lavitry ny fahavalony, ary ny hisiny no miaro ilay vavahady mihidy.

Na dia miantso Ilay Avo Indrindra aza izy ireo

Eto Andriamanitra dia miresaka ny amin'ny tenany. DH: "Na dia miantso Ahy, Ilay Avo Indrindra aza izy ireo"

dia tsy hisy na iray aza hanampy azy ireo

Tsy hamela na iza na iza hanampy an'Israely i Yaveh satria niala taminy izy ireo.