plt_tn/hos/11/05.md

28 lines
1017 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Miresaka momba an'Israely i Yaveh.
# Tsy hiverina any amin'ny tanin'i Egypta ve izy ireo?
Io fanontaniana io dia midika fa ho andevo indray tahaka azy ireo tany Egypta ny firenen'Israely.
# Tsy hanapaka eo amin'izy ireo ve Asyria satria mandà ny hiverina amiko izy ireo?
Ho babon'i Asyria ny firenen'Israely ho vokatry ny fandavan'izy ireo tsy hitoetra mahatoky amin'i Yaveh.
# Hilatsaka amin'ny tanànan'izy ireo ny sabatra
Eto ny "sabatra" dia maneho ny fahavalon'Israely izay handrava ny tanànan'Israely.
# hamotika ny hidin'ny vavahadiny
Ny vavahady no mampisy fandriam-pahalemana ho an'ny mponin'ny tanàna lavitry ny fahavalony, ary ny hisiny no miaro ilay vavahady mihidy.
# Na dia miantso Ilay Avo Indrindra aza izy ireo
Eto Andriamanitra dia miresaka ny amin'ny tenany. DH: "Na dia miantso Ahy, Ilay Avo Indrindra aza izy ireo"
# dia tsy hisy na iray aza hanampy azy ireo
Tsy hamela na iza na iza hanampy an'Israely i Yaveh satria niala taminy izy ireo.