# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Miresaka momba an'Israely i Yaveh. # Tsy hiverina any amin'ny tanin'i Egypta ve izy ireo? Io fanontaniana io dia midika fa ho andevo indray tahaka azy ireo tany Egypta ny firenen'Israely. # Tsy hanapaka eo amin'izy ireo ve Asyria satria mandà ny hiverina amiko izy ireo? Ho babon'i Asyria ny firenen'Israely ho vokatry ny fandavan'izy ireo tsy hitoetra mahatoky amin'i Yaveh. # Hilatsaka amin'ny tanànan'izy ireo ny sabatra Eto ny "sabatra" dia maneho ny fahavalon'Israely izay handrava ny tanànan'Israely. # hamotika ny hidin'ny vavahadiny Ny vavahady no mampisy fandriam-pahalemana ho an'ny mponin'ny tanàna lavitry ny fahavalony, ary ny hisiny no miaro ilay vavahady mihidy. # Na dia miantso Ilay Avo Indrindra aza izy ireo Eto Andriamanitra dia miresaka ny amin'ny tenany. DH: "Na dia miantso Ahy, Ilay Avo Indrindra aza izy ireo" # dia tsy hisy na iray aza hanampy azy ireo Tsy hamela na iza na iza hanampy an'Israely i Yaveh satria niala taminy izy ireo.