plt_tn/hos/11/03.md

908 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Miresaka momba ny nikarakarany an'Israely i Yaveh.

Izaho no nampianatra an'i Efraima handeha.

Toy ny hoe zaza kely izay ampianariny mamindra no firesak'i Yveh an'Israely.

Izaho no nitrotro azy ireo teo amin'ny sandriny

Ity teny ity dia manohy ilay sarinteny. DH: "nikarakara azy ireo"

Tamin'ny kofehin'ny maha-olombelona no nitarihiko azy ireo, tamin'ny fatoran'ny fitiavana

Tian'i Yaveh tamin'ny fomba izay tsapan'izy ireo sy ankasitrahany amin'ny maha-olombelona ny olony.

Tahaka ny olona izay nanamaivana ny zioga teo amin'ny valanoranon'izy ireo Aho

Toy ny hoe biby miasa fatratra izay namorainy ny asany no firesak'i Yaveh ny firenen'Israely.

niondrika teo amin'izy ireo Aho ka namahana azy ireo

Ity teny ity dia manohy ny sarinteny izay nanaovana an'Isrely ho tovolahy. Mety midika izany fa nanome izay ilain'izy ireo ara-nofo rehetra Yaveh.