plt_tn/hos/09/10.md

16 lines
630 B
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Miteny Yaveh.
# Rehefa nahita an'Israely Aho
Manondro ny fotoana izay nanombohan'i Yaveh ny fiarahanany tamin'ny vahoakan'Israely tamin'ny fanambarana azy ireo ho olony manokana io.
# dia toy ny hoe nahita voaloboka tany an'efitra. Toy ny voaloham-boan'ny fotoanan'ny aviavy
Ireo fanambarana roa ireo dia samy manindry mafy ny toe-javatra izay ankasitrahan'i Yaveh. Midika izany fa faly tokoa Andriamanitra fony vao nanomboka ny fiarahany tamin'ny vahoakan'Israely.
# Bala-peora
Io dia anaran-tendrombohitra any amin'ny tanin'i Moaba izay nanompoana an'i Bala andriamanitra sandoka.