plt_tn/hos/09/07.md

20 lines
1.0 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Miteny i Hosea mpaminany.
# Ho tonga ny andro famaizana; tonga ny andro famaliana.
Milaza ireo teny roa mitovy ireo i Hosea mba hanindriana fa hitsara ny vahoakan'Israely nohon'ny asa ratsiny tsy ho ela Yaveh.
# Adala ny mpaminany, ary very saina ny olona manana aingam-panahy
Mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo. Ireo mety ho heviny dia 1) noraisin'ny olona ho adala ireo mpaminany na 2) lasa adala ireo mpaminany nohon'ny fahotana izay nataon'ny olona.
# Adala ny mpaminany, ary very saina ny olona azon-tsindrimandry
Eto ny "mpaminany" sy ny "olona azon-tsindrimandry" dia midika olona izay milaza fa mahazo hafatra avy amin'Andriamanitra. Ny hevitra ambadik'izany dia mpaminany sandoka ireo olona ireo ary nihevitra ho nahazo hafatra avy amin'Andriamanitra fotsiny.
# nohon'ny helokareo lehibe sy fandrafianareo lehibe
Ny andian-teny hoe "heloka lehibe" sy "fandrafiana lehibe" dia mitovy hevitra ihany. Ny helok'ireo olona ireo dia niseho tamin'ny fandrafiana an'i Yaveh sy ireo mpaminaniny.