# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Miteny i Hosea mpaminany. # Ho tonga ny andro famaizana; tonga ny andro famaliana. Milaza ireo teny roa mitovy ireo i Hosea mba hanindriana fa hitsara ny vahoakan'Israely nohon'ny asa ratsiny tsy ho ela Yaveh. # Adala ny mpaminany, ary very saina ny olona manana aingam-panahy Mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo. Ireo mety ho heviny dia 1) noraisin'ny olona ho adala ireo mpaminany na 2) lasa adala ireo mpaminany nohon'ny fahotana izay nataon'ny olona. # Adala ny mpaminany, ary very saina ny olona azon-tsindrimandry Eto ny "mpaminany" sy ny "olona azon-tsindrimandry" dia midika olona izay milaza fa mahazo hafatra avy amin'Andriamanitra. Ny hevitra ambadik'izany dia mpaminany sandoka ireo olona ireo ary nihevitra ho nahazo hafatra avy amin'Andriamanitra fotsiny. # nohon'ny helokareo lehibe sy fandrafianareo lehibe Ny andian-teny hoe "heloka lehibe" sy "fandrafiana lehibe" dia mitovy hevitra ihany. Ny helok'ireo olona ireo dia niseho tamin'ny fandrafiana an'i Yaveh sy ireo mpaminaniny.