plt_tn/hos/09/07.md

1.0 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Miteny i Hosea mpaminany.

Ho tonga ny andro famaizana; tonga ny andro famaliana.

Milaza ireo teny roa mitovy ireo i Hosea mba hanindriana fa hitsara ny vahoakan'Israely nohon'ny asa ratsiny tsy ho ela Yaveh.

Adala ny mpaminany, ary very saina ny olona manana aingam-panahy

Mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo. Ireo mety ho heviny dia 1) noraisin'ny olona ho adala ireo mpaminany na 2) lasa adala ireo mpaminany nohon'ny fahotana izay nataon'ny olona.

Adala ny mpaminany, ary very saina ny olona azon-tsindrimandry

Eto ny "mpaminany" sy ny "olona azon-tsindrimandry" dia midika olona izay milaza fa mahazo hafatra avy amin'Andriamanitra. Ny hevitra ambadik'izany dia mpaminany sandoka ireo olona ireo ary nihevitra ho nahazo hafatra avy amin'Andriamanitra fotsiny.

nohon'ny helokareo lehibe sy fandrafianareo lehibe

Ny andian-teny hoe "heloka lehibe" sy "fandrafiana lehibe" dia mitovy hevitra ihany. Ny helok'ireo olona ireo dia niseho tamin'ny fandrafiana an'i Yaveh sy ireo mpaminaniny.