plt_tn/hos/07/10.md

777 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Miteny Yaveh.

Ny avonavon'Israely dia vavolombelona miampanga azy

Izany dia mamaritra ny "avonavona" ho tahaka ny olona izay mijoro vavolombelona miampanga ny vahoakan'Israely eo amin'ny fitsarana.

na nitady Azy

Ny tsy firaharahian'Israely an'i Yaveh dia resahina toy ny hoe very Izy ary tsy niezaka ny hitady Azy izy ireo. DH: "na niezaka ny hisarika Azy hihaino azy ireo"

na dia teo aza izany rehetra izany

Eto "izany" dia manondro an'Andriamanitra mamela ny vahiny handresy azy ireo ka hahatonga azy ireo ho osa.

Efraima dia toy ny voromailala, minomino foana ary tsy misy saina

Ny voromailala dia noheverina ho vorona adaladala.

Egypta ... Asyria

Firenena matanjaka izay azon'Israely nangatahana fanampiana ireo.