# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Miteny Yaveh. # Ny avonavon'Israely dia vavolombelona miampanga azy Izany dia mamaritra ny "avonavona" ho tahaka ny olona izay mijoro vavolombelona miampanga ny vahoakan'Israely eo amin'ny fitsarana. # na nitady Azy Ny tsy firaharahian'Israely an'i Yaveh dia resahina toy ny hoe very Izy ary tsy niezaka ny hitady Azy izy ireo. DH: "na niezaka ny hisarika Azy hihaino azy ireo" # na dia teo aza izany rehetra izany Eto "izany" dia manondro an'Andriamanitra mamela ny vahiny handresy azy ireo ka hahatonga azy ireo ho osa. # Efraima dia toy ny voromailala, minomino foana ary tsy misy saina Ny voromailala dia noheverina ho vorona adaladala. # Egypta ... Asyria Firenena matanjaka izay azon'Israely nangatahana fanampiana ireo.