plt_tn/hos/05/14.md

28 lines
815 B
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Miresaka momba an'i Joda sy Israely i Yaveh.
# Koa ho toy ny liona amin'i Efraima Aho
Hanenjika sy hamely an'i Efraima tahaka ny liona Yaveh.
# ary ho toy ny liona tanora amin'ny ankohonan'i Joda
Ho entin'i Yaveh tahaka izany i Joda. Mampiseho tsy fahafaliana amin'ny fanjakana tavaratra sy tatsimo Yaveh.
# Izaho, eny Izaho
Tsindrian'i Yaveh fa Izy ilay iray izay manao ny fitsarana amin'ny vahoakany.
# no hamiravira
Tahaka ny liona mamiravira ny biby hohaniny, dia toy izany no hamiraviran'i Yaveh ny olony lavitry ny fonenany sy ny taniny.
# Handeha Aho ary hiverina any amin'ny toerako
Handao ny olony mpikomy Yaveh.
# ka hitady ny tavako
miezaka mankeo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra amin'ny fivavahana sy sorona. DH: "ary hangataka Ahy hihaino azy ireo"