plt_tn/hos/05/12.md

974 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Miresaka momba an'i Joda sy Israely i Yaveh.

ho toy ny kalalao amin'i Efraima Aho, ary tahaka ny bobongolo amin'ny ankohonan'i Joda

Ny kalalao eo amin'ny ravin-damba sy ny bobongolo eo amin'ny hazo sia samy manimba. Samy ho potehin'i Yaveh ireo firenena ireo.

kalalao ... bobongolo

adika amin'ny fomba samihafa ireo teny roa ireo satria tsy mazava tsara na mivelatra be ny hevitry amin'ny teny Hebreo.

Rehefa hitan'i Efraima ny aretiny, ary hitan'i Joda ny ratrany

Samy nahalala fa tandindonin-doza na i Efraima (ilay fanjakana tavaratr'Israely) na Joda (ilay fanjakana tatsimon'Israely).

ia nandeha tany Asyria i Efraima, ary Joda nandefa mpitondra hafatra ho any amin'ilay mpanjaka lehibe

Nangataka fanampiana tamin'i Asyria i Efraima sy Joda fa tsy nangataka tany amin'i Yaveh. Ny "mpanjaka lehibe" dia fiantsoana ilazana ny mpanjakan'i Asyria.

Fa tsy afaka ... izy

Eto "izy" dia manondro ny mpanjakan'i Asyria