plt_tn/hos/03/04.md

942 B

Fa ireo olon'Israely dia hiaina andro maro tsy misy mpanjaka, andrian-dahy, sorona, andry vato, efoda na sampin-trano

Tahaka ny niainan'i Hosea tsy niaraka tamin'ny vadiny satria nijangajanga, dia hiaina tsy hisy mpanjaka sy tsy hanompo an'Andriamanitra ihany koa Israely, satria nanao fanompoan-tsampy.

hitady an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo

Eto ny hoe "hitady" dia midika fa mangataka an'Andriamanitra mba hanaiky azy ireo sy ny fivavahany izy ireo.

Davida mpanjakan'izy ireo

Eto "Davida" dia maneho ny taranak'i Davida rehetra. DH: "taranak'i Davida mba ho mpanjakan'izy ireo"

amin'ireo andro farany

Eto "ireo andro farany" dia ilazana ny fe-potoana amin'ny ho avy. DH: "amin'ny ho avy"

ho avy amin-kovitra eo anatrehan'i Yaveh sy ny hatsarany izy ireo

Eto ny hoe "amin-kovitra" dia ilazana ny fahatairana sy ny fanetre-tena. DH: "hiverina amin'i Yaveh izy ireo ka hanetry tena, hanaja Azy, ary hangataka ny fitahiany"