# Fa ireo olon'Israely dia hiaina andro maro tsy misy mpanjaka, andrian-dahy, sorona, andry vato, efoda na sampin-trano Tahaka ny niainan'i Hosea tsy niaraka tamin'ny vadiny satria nijangajanga, dia hiaina tsy hisy mpanjaka sy tsy hanompo an'Andriamanitra ihany koa Israely, satria nanao fanompoan-tsampy. # hitady an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo Eto ny hoe "hitady" dia midika fa mangataka an'Andriamanitra mba hanaiky azy ireo sy ny fivavahany izy ireo. # Davida mpanjakan'izy ireo Eto "Davida" dia maneho ny taranak'i Davida rehetra. DH: "taranak'i Davida mba ho mpanjakan'izy ireo" # amin'ireo andro farany Eto "ireo andro farany" dia ilazana ny fe-potoana amin'ny ho avy. DH: "amin'ny ho avy" # ho avy amin-kovitra eo anatrehan'i Yaveh sy ny hatsarany izy ireo Eto ny hoe "amin-kovitra" dia ilazana ny fahatairana sy ny fanetre-tena. DH: "hiverina amin'i Yaveh izy ireo ka hanetry tena, hanaja Azy, ary hangataka ny fitahiany"