plt_tn/hos/03/04.md

20 lines
942 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fa ireo olon'Israely dia hiaina andro maro tsy misy mpanjaka, andrian-dahy, sorona, andry vato, efoda na sampin-trano
Tahaka ny niainan'i Hosea tsy niaraka tamin'ny vadiny satria nijangajanga, dia hiaina tsy hisy mpanjaka sy tsy hanompo an'Andriamanitra ihany koa Israely, satria nanao fanompoan-tsampy.
# hitady an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo
Eto ny hoe "hitady" dia midika fa mangataka an'Andriamanitra mba hanaiky azy ireo sy ny fivavahany izy ireo.
# Davida mpanjakan'izy ireo
Eto "Davida" dia maneho ny taranak'i Davida rehetra. DH: "taranak'i Davida mba ho mpanjakan'izy ireo"
# amin'ireo andro farany
Eto "ireo andro farany" dia ilazana ny fe-potoana amin'ny ho avy. DH: "amin'ny ho avy"
# ho avy amin-kovitra eo anatrehan'i Yaveh sy ny hatsarany izy ireo
Eto ny hoe "amin-kovitra" dia ilazana ny fahatairana sy ny fanetre-tena. DH: "hiverina amin'i Yaveh izy ireo ka hanetry tena, hanaja Azy, ary hangataka ny fitahiany"