plt_tn/heb/11/32.md

1.3 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Ny mpanoratra dia manohy miresaka izay zavatra nataon'Andriamanitra an'ireo razamben'ny vaohakan'Isiraely.

Inona ihany koa no afaka lazaiko?

Mampiasa fanontaniana ny mpanoratra mba hanamafisana fa misy ohatra maro izay afaka nolazainy. Afaka adika ho fanambarana ity. DH: "Ary misy ohatra maro dia maro."

ho lany ny fotoako

"tsy hanana fotoana firy aho"

Baraka

Izany dia anaran-dehilahy iray.

Tamin'ny alalan'ny finoana no nahazoan'izy ireo

Eto ny "izy ireo" dia tsy midika fa nanao ireo zavatra izay ho lazain'ny mpanoratra ny olona tsiraray voatanisa tao amin'ny 11:32. Ny mpanoratra dia milaza amin'ny ankapobeny fa ireo dia karazan-javatra izay afaka ataon'ireo manam-pinoana. DH: "tamin'ny alalan'ny finoana no nahazoan'ny olona tahaka izany"

nahazoan'izy ireo ny fanjakana

Eto ny "fanjakana" dia maneho ny olona izay niaina tao. DH: "izy ireo dia nandresy ny olon'ireo fanjakana vahiny"

Nanakombona ny vavan'ireo liona izy ireo, namono ny herin'ny afo, nandositra ny lelan'ny sabatra,

Ireo dia fomba sasany namonjen'Andriamanitra ireo mpino tamin'ny fahafatesana. DH: "tsy azy ireo ny liona, tsy nanodro azy ireo ny afo, tsy namono azy ireo ny fahavalony"

sitrana tamin'ireo aretina

DH: "nandray fanasitranana avy tamin' Andriamanitra"